<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>P.P. Bliss</author>
<title>Be ny voninahitrao Jeso Kristy Tompo FFPM78</title>
<lyrics>[V1]
 Be ny voninahitrao,
 Jeso Kristy Tompo !
 Lanitra nonenanao,
 Maro no nanompo,
 Be ny mahasambatra,
 Faly re ny fonao ;
 Nanam-boninahitra
 Tao an-dapan-dRainao.

[V2]
 Fa ny voninahitra
 Efa nialanao ;
 Ny haren'ny lanitra
 Tsy mba nojerenao,
 Teraka ho olona
 Hianao nahery,
 Ka avy mba hanavotra
 Ny mpanota very.

[V3]
 Eny, tonga Hianao
 Honina amin-tany,
 Hahazoan 'ny olonao
 Soa tsy ho lany.
 Sarotra ny lalanao,
 Be ny zava-mafy,
 Loza no nanjo Anao,
 Maro no nandrafy.

[V4]
 Saotra no aterinay,
 Vavaka aman-dera,
 Ravo ny fanahinay,
 Ka avy mba hihira,
 Vitanao ny asanao
 Namonjenao aina,
 Ka indro ny Anaranao
 Velona ao an-tsaina !</lyrics>
<hymn_number>78</hymn_number>
</song>